SocialTsidika

Toetr’andro : Hisy oram-baratra amin’ny faran’ny taona

Hisy ora-mikija sy kotroka arahintselatra eto Antananarivo sy ny manodidina mandritra ny faran’ny taona ho avy izao. Mila miomana dieny izao isika eo am-panomanana ny fetin’ny faran’ny taona.

« Hahitana oram-baratra ny ampahan’ny nosy amin’ny faran’ny taona ho avy izao indrindra ny faritra Analamanga sy Vakinakaratra ary Bongolava » hoy ny avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro. « Izao izany dia efa miomana sahady amin’ny fety izay karakaraina » hoy i Fanja, mponina eto an-drenivohitra. « Tsy tokony ho sakana tsy hanaovana fety sy hifaliana miaraka amin’ny havana aman-tsakaiza akory izany orambe izany » hoy i Christophe, mpahay fiarahamonina. Hery lehibe indrindra ho an’ny tantsaha mpamboly tokoa ny fihavian’ny orana. Fotoana fanararaotana amin’ny fambolena izao ho azy ireo. Tsy tokony hametraka olana amin’ny fetin’ny faran’ny taona ny hisian’ny orana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire