Philippines : Tafiakatra 388 ny matin’ny rivo-doza
Mbola manohy ny fikarohana ireo niaram-boina nandritra ny rivo-doza Rai ireo tompon’andraikitra ao Philippines 10 andro tao aorian’ny nisehoan’ny loza. Tafiakatra 388 indray ireo maty tamin’izany raha 208 izany ny 21 desambra teo. 60 kosa ireo olona mbola tsy hita amin’izao fotoana ary an-jatony ireo naratra.Manoloana izany nefa dia miha-ratsy ny toe-pahasalaman’ireo olona nalàna tamin’ny toeram-ponenany efa mahatratra 300 000, ary navondrona tamin’ny toby. Tratran’ny aretin-kibo sy aretim-pivalanana mafy ny ankahamaroan’ireo olona ireo, indrindra ao amin’ny nosy Dinagat sy Siargao. Antony hoy ny sekretera lefitry ny fahasalamana, Maria Rosario Vergeire ny fahalotoan’ny rano fisotro.
