Ambohimangakely : Miakatra ny rano noho ny fahatsentsenan’ny lakan-drano
Nandritra ireo orambe nisesy tato ho ato, dia niakatra ny rano ary tafiditra any an-trano ho an’ireo mponina izay mipetraka ao amin’ny fokontany Ikianja sy ny manodidina, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Noho ny fanorenana tsy ara-dalàna, ny fanenana ary fanampenana ireo lakan-drano no voalaza nahatonga izany.
« Mba mangataka amin’ny tompon’andraikitra hijery hifotony ny momba ity lalandrano eto akaiky ny tranobe kolotoraly ity fa isaky ny avy ny orana dia miakatra ny rano. Efa tonga anaty trano mihitsy izy io kanefa ety tsy faritra iva be akory » hoy i Laza, mponina ao Ambohimangakely.
« Anisan’ny dingana tokony ho lalovana ary tokony jeren’ireo teknisinina amin’ny fananganana ny mahakasika ny drafitra fanajariana sy ny fananganana mba hisorohana ny tranga tahaka izao. Rehefa tsy ampy na tery ireo lalana ivohan’ny rano dia tsy maintsy hiangona ny rano ka tokony hijerena fepetra izao mialohan’ny rivo-doza sy ny tena fiakaran’ny rano » hoy i Ntsoa, mpianatra géographie eny Ankatso.
Manoloana izao zava-misy izao araka izany, dia miantso ireo tompon’andraikitra mahefa isan’ambaratongany ireo mponina mba hijery akaiky ny zava-misy. Anisan’ny mampitombo isa ireo olona tra-boina, amin’ny fotoan’ny rivo-dozana, ny tranga tahaka izao.
Manitra Ramanantsoa
