SocialTatitra

tats-Unis : Lehilahy iray tao Los Angeles nitsambikina avy eny ambony fiaramanidina efa hiainga

Efa teo hampiaingana ho ao Salt Lake City mihitsy ny fiaramanidina no nitsangana ity lehilahy ity ka nanomboka nandondona ny varavaran’ny « cockpit ». Nihevitra aloha ireo mpiasan’ny fiaramanidina fa nikasa hanakorontana izy saingy nitsamibika tampoka avy teo amin’ny varavarana fivoahana vonjy maika izy raha mbola teo am-pandehanana iny ny fiaramanidina. Nahiditra hopitaly izy tao aorian’io ary tsy misy ahatahorana ny ainy saingy mbola tsy fantatra ny antony nanosika azy nanao io fihetsika io.

Laisser un commentaire