ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mbola tsy azo ampiasaina ny seza volamena

Nampahatsiahy ireo mpandeha amin’ny « Kofafiava Andranovelona » ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy fa mbola 4 foana ny seza azo ampiasaina ary tsy mbola azo atao ny mampiasa ny seza volamena. Azo atao tsara ny miantso ny tompon’andraikitra raha mahita tsy fanarahan-dalàna isika.

« Mbola tsy misy ny didy milaza fa azo ampiasaina ny seza volamena. Fandikan-dalàna tsotra izao raha minia mampiasa izany isika » hoy i Fred, mpahay lalàna. « Tsara foana raha mampandre ny tompon’andraikitra raha mahita fiara mampiasa ny seza volamena. Mbola azo lazaina ao anatin’ny ady amin’ny aretina ihany mantsy isika amin’izao. Tsara foana ny manaraka ny fandaminana mba tsy hisian’ny fifanomezan-tsiny » hoy ny tompon’andraikitra.

Ny fifanajana sy ny fanarahana ny fandaminana no tena ilaina eto amintsika raha te handroso. Miara-miasa ary mifameno avokoa ny asan’ny mpitatitra sy ny taterina ary ny tompon’andraikitra mpandamina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire