ActualitésTsidika

Fananana iombonana : Mila fiarovana avy amintsika vahoaka

Miantso ireo mponina ao aminy hiaro ireo fotodrafitr’asa iombonana ny kaominina Alasora. Misy minia manimba sahady manko ireo foto-drafitr’asa andalam-panamboarana ao an-toerana.

« Misy ny olona minia manimba ny foto-drafitr’asa an-dalam-panamboarana. Iangaviana fiaraha-miasa amintsika rehetra ny fanarahamaso izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Tsara raha samy saro-piaro amin’ny fananana iombonana ny tsirairay. Tsy tokony ho menatra hitoroka sy hiteny ireo minia manimba isika. Adidintsika eo amin’ny asa fampandrosoana izany » hoy i Rolland, mponina ao Alasora. Misy foana ny olona tsy ampy fahalalana, tsy mahafantatra ny maha zava-dehibe ireo fotodrafitr’asa ireny akory.

Adidintsika mpiray tanindrazana ny miaro izany sy ny saro-piaro amin’izany ho mari-pitiavana ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire