Actualités

Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena : Efa mipetraka ny datim-panadinana ho an’ny taom-pianarana 2020-2021

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoana fianarana sy fandratoana fahalalana ny mpianatra rehetra amin’izao. Mbola ao anatin’ny fanatanterahana programma avokoa izy ireo. Somary nisy fahasarotany ihany ny fanabeazana tamin’ity taom-pianarana ity noho ny valan’aretina izay nisy teto amitsika. Ezaka tsy maintsy himasoan’ny mpampianatra ny famerenana ny sain’ny mpianatra ho amin’ny fianarana noho ny fotoana izay nahavery izany tanteraka tamin’ny fisian’ny fihibohana. Eo ihany koa ny fanenjehana ireo lesona tamin’ny taom-pianarana efa lasa iny. Na izany aza, efa namoaka ny datim-panadinana sahady ny eo anivon’ny minisitera mba hahafahana miomana mialoha. Hotontosaina 6 jolay 2021 ho avy izao ny fanadinana CEPE, Raha toa ka ny 19 hatramin’ny 22 Jolay 2021 ny BEPC. Efa manatanteraka ny ezaka rehetra arak’izany ny minisitera mba hampirindra tanteraka izany fanadinana izany.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire