Social

Vokatry ny covid-19, niova ny fahazaran’ny Malagasy amin’ny lafiny fandaniana ara-tsakafo

Niova ny fahazaran’ny Malagasy amin’ny lafiny fandaniana hoy ny filohan’ny GPC, Cindy Brown, hatramin’ny nanombohan’ny valanaretina covid-19. Misedra olana ireo mpamokatra entam-barotra isan-karany. Midina ny fahefa-mividy fa eo ihany koa ny mety ho fatahorana amin’ny fisian’ny valanaretina covid-19. Raha zatra miditra toeram-pisakafoanana teo aloha, lasa misafidy mikarakara sakafo ao an-tokantrano. Anisan’ny mizaka ny vokany goavana ireo mpivarotra amin’ny toeram-pandraisam-bahiny. Tsy hita hifanomezan-tsiny anefa ny zava-misy amin’izao fotoana. Mamelom-bady aman-janaka ihany koa anefa ny mpitantana ireny toeram-pandraisam-bahiny sy toeram-pisakafoana ireny. Mbola betsaka ihany koa ireo mibaby izay vokan’ny fisian’n covid-19 izay, raha tsy hilaza fotsiny ny toeram-pivarotana sakafo vita avy amin’ny akora simika. Mirona kokoa any amin’ny fividianana legioma sy sakafo bio ny olona hanana hery entina miady amin’ny valanaretina. Tsy afaka hanery ireo mpanjifa anefa ny mpivarotra mba hanjifa ny entana amidiny. Misy izy ireo no nisafidy hitady vadin’asa hamelomana ny vady aman-janany. Etsy ankilany, misy ihany koa ireo mpanjifa nanapa-kevitra hiverina amin’ny fahazarany teo aloha rehefa nangingina ny akon’ny valanaretina.

Volantsoa Felaniaina

Laisser un commentaire