Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo
Hianjadian’ny olana ara-tsakafo ny maro amin’ny zaza any amin’ny faritra atsimo. Nanomboka ny fiandohan’ny taona ka hatramin’izao no misedra olana izy ireo. Tena iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ny zaza latsaky ny dimy taona. Mety ho tandindomin-doza i Madagasikara araka izany, ary mety ho tratran’ny fahamehana ara-tsakafo. Lasa mihinana sakafo maloto arak’izany ny mponina nohon’ny tsy fisian’ny sakafo madio sy ara-pahasalamana. Vokany, zaza iray ao anatin’ny dimy no iharan’ny areti-kibo sy fivalanana. Misy fomba tsotra sy miavaka arak’izany hisorohana tanteraka ny areti-kibo tahaka izany. Mila manafaingana ny famatsiana sakafo madio sy ara-pahasalamana ny fitondram-panjakana sy izay malala Tanana rehetra. Azo sorohina amin’ny fanasana Tanana matetika amin’ny rano sy savony koa izany. Sarobidy ny fahasalaman’ny ankizy ka ilaina tandrovana izany.
Fanilo Rarivoarilala
