Social

Haintany eto Madagasikara : Misy vahaolana maharitra tokoa ve ?

Tsy vao tamin’ity taona 2021 ity no mandalo haitany i Madagasikara. Tsy ampy ny orana, simba ny voly, na androm-pahavaratra na tsia. Ny volana janoary lasa teo ohatra, nanao antso avo hanampiana an’I Madagasikara nohon’ny haitany ny ONU. Vola mitentina 76 tapitrisa dollar (304.000 tapitrisa ariary) no nangatahina tamin’izany. Nisy ihany koa ny antso avo nataon’ny governemanta Malagasy ny 18 janoary lasa teo. Namaly ny antso I Suisse ka nanolotra vola mitentina 4,1 miliara ariary, ho fanampiana ny ady atao hanafoanana ny tsy fanjarian-tsakafo vokatry ny haitany any atsimo. Mbola azo leferina raha ny haitany eto afovoan’I Madagasikara, eny fa na dia mijaly aza ny mponina amin’ny tsy fahampian-drano. Mbola manan-ko hanina. Any atsimon’I Madagasikara no tena lasibatra manoloana ny haitany. Ny 19 janoary lasa teo fotsiny, efa nitotaly ho iray tapitrisa ireo olona tsy zarizary ara-pivelomana nandritra ny folo taona izao, raha toa ka 750 000 izy ireo ny taona 2020. Misy ny fikambanana isankarazany natsangana na efa mijoro ofisialy mandray an-tanana amin’ny fangatahana fanampiana ho an’ireo mponina ao atsimon’I Madagasikara ireo. Tsy mijanona eo amin’ny samy Malagasy ihany ny fanentanana fa miditra an-tsehatra mihitsy ireo fikambanana iraisam-pirenena samihafa. Tsikaritra ho misy antso avo atao ho fanampiana ireo kere any atsimo foana isan-taona. Fandotoana ny tontolo iainana, fanimbana ny hazo, ireo no antony voalohany manimba ny tontolo iainana ka mampikorontana ny vanim-potoana. Misy anefa ireo mivelona amin’ny fanaovana aritany, fivarotana kitay sns. Tsy voatery ho manary fako an-dalambe ihany koa ny olona iray vao sokajiana ho mandoto ny tontolo iainana. Na ny setroka hateraky ny fiara maro be mifamezivezy isanandro aza dia azo sokajiana ho hetsika iray mandoto ny tontolo iainana. Sarotsarotra ny hinoana fa ho foana atsy ho atsy ny haitany sy ny fikorotanan’ny toetrandro eto Madagasikara raha ny fitombon’ny mponina, indrindra eto afovoan-tany no jerena. Efa misy ihany anefa ny ezaka fambolena hazo hatao isantaona. Mety ho ampy ve ireo ezaka madinidinika atao ireo amahana ny olan’ny haitany sy ny fiovaovan’ny vanim-potoana efa saika ho isantaonamihitsy. Mety vahaolana maharitra tokoa ary ve izany hanalefahana ny haitany eto Madagasikara, indrindra ho an’ireo any amin’ny faritra atsimo. Manana andraikitra avokoa ny Malagasy tsirairay monoloana izany satria Madagasikara iaraha-manana.

Volantsoa Felaniaina

Laisser un commentaire