SocialTsidika

Ianao no mila mandray an-tànana ny fiainanao fa tsy ny hafa

Tsara raisina ny torohevitra avy amin’ny hafa noho izy mety hampivoatra anao. Tsy tsara ny mahatoky tena be loatra, ary ny olon-drehetra natao hifanampy avokoa. Raha ny tokony ho izy, tokony hiteraka firaisankina sy fihavanana ary indrindra fandrosoana ho an’ny tsirairay izany.

Efa manjaka loatra ny fialonana sy ny sompatra amin’izao vaninandro iainantsika izao ka tsy dia azo atao loatra ny mihaino na manaraka ny hevitry ny hafa. Kanefa tsy misy mahavita tena raha ny fitenintsika Malagasy ka mila mifanampy hatrany. Betsaka ny tombontsoa azo raha mihaino ny hevitry ny hafa ianao saingy tsy azo atao loatra ny manaraka izany an-jambany tsy misy fandinihana. Tsy ilaina noho izany ny fihainoana loatra ny hevitry ny hafa. Misy dikany lehibe ilay teny hoe « loatra  » eto ka tsy tokony ho tsinotsiniavina. Ny olona manome torohevitra be dia be tsy mba manana tanjona ambadika mantsy, mizara sy mieboebo amin’ny traikefany fotsiny ihany.

« Ny fandraisana andraikitra avy amiko no hinoako fa hampivoatra ny fiainan-ko aviko » hoy i Mialy, mpianatra ao amin’ny Polytechnique Vontovorona. « Tsy afaka manatanteraka zavatra iray irery aho fa mila ny hevitry ny hafa foana ary tsapako fa izany no ambony » hoy kosa i Andry, mpianatra ao amin’ny LMA.

Aza miantehitra amin’ny hafa foana anefa vao mahavita zavatra fa miezaha miasa irery ao anatin’ny fahatokisan-tena. Manamafy izany indrindra ity manam-pahaizana ity, Ben Silbermann, mpanorina ny Pinterest : « aza mihaino ny hevitry ny hafa loatra. Ny ankamaroan’ny olona manome torohevitra be dia be mazàna manaparitaka ny zavatra niainany rehetra, na dia ny mahazatra aza. Aza adika be loatra ny zava-nitranga. Izaho dia meloka noho ny fiheverana diso ireo olana. Mamorona ary fantaro raha miasa famoronanao ».

Tokony tsy hilavo lefona am-boalohany noho izany isika tsirairay avy fa hitsapa ny fahaiza-manao antsika. Kanefa misy hatrany ireo efa zatra mpiantehitra amin’ny hafa loatra ka lasa tsy mahaleo tena intsony. Noho izany, inona no tokony ho ataon’ireo zatra miankin-doha amin’ny hafa fa tsy mba ahaleo tena mihitsy ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire