SportTsidika

Dinika natao taorian’ny lalao nataon’ny Barea ny alakamisy 07 oktobra lasa teo

Nidera ny toe-tsain’ny Barea i Faneva Ima Andriatsima, ary niantso ny mpitarika ny baolina kitra Malagasy mba hampitsahatra ny fifanolanan’izy ireo. Nanolotra teny fampaherezana ho an’ireo zandriny izy noho izany na dia teo aza ny faharesena manoloana ny RDC. Vokatr’izany, miantso ny hisian’ny fampihavanana eo amin’izy ireo ny kapiteny teo aloha, Faneva Ima Andriatsima.Raha atao ny tamberina, resy tamin’ny salanisa 2-0 ny ekipa Barea Malagasy. Marihana moa fa nisy tsy fanarahan-dalàna nandritra ity lalao ity ka antony tena nampifanolana ny ekipa roa tonta. Voalaza fa nikomy ireto mpitsara ny lalao ireto, saingy nanome tsiny ireo tompon’andraikitra kosa izy ireo noho izany. Setrin’izany, tsy nizotra raha ny tokony ho izy ny lalao notontosain’ny Barean’i Madagasikara sy ny Congo. Nalahelo mafy ihany koa ireto ekipam-pirenena Malagasy manoloana izany. Na dia tokony mba nitoko ihany aza izy ireto tamin’ny lalao nifanandrinana tamin’ny RDC dia tao very maina izany finiavana izany noho ny zava-niseho. »Tsy rariny mihitsy aloha ny ataon’ilay mpitsara e ! Maninona raha tonga dia nilavo lefona raha natahorana ho resy teny am-piandohana ?  » hoy i Rivo, mpankafy bolina kitra Malagasy. « Aleo mihitsy hibaribary ny fahadisoan’ireto mpitsara ireto amin’nizay menatr’olona. Kanefa na dia izany aza tokony mba tsy asiana fiantraikany eo amin’ny ekipa mpilalao izany, indrindra ny Barea » hoy kosa i Léonard, mpankafy baolina kitra ihany koa. Nankahery ireto zandry malalany hatrany anefa i Faneva Ima Andriatsima manoloana izany, « manàna herim-po ary milamina tsara. Ho tonga eny Mahamasina ny mpanohana amin’ny alahady izao ». Ankoatra izay, nilaza ihany koa izy hoe : « tohizo ary tazomy ny toe-tsaina nanananao androany, satria hahazo valiny isika raha miady toa anao ny mpilalao rehetra ».Arak’izany, tokony tsy atao mibahana ao an-tsain’ireo ekipa Barea, izao zava-miseho izao, indrindra ny fifanolanana misy ka tsy mampilamina ireo tompon’andraikitra ireo. Kanefa, tsy ho vitan’izy ireo ny tsy hisaina izany na dia kely monja aza. Mila mijoro sy manatanja-tsaina hatrany anefa isika raha te handresy sy tsy ho lavo. Raha izay ary, andraikitra manao ahoana no tokony ho raisin’ny mpitondra fanjakana manoloana izao zava-niseho izaho, indrindra ny Filoha Andry Rajoelina izay tena manohana manokana ny ekipa Barea ?

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire