Mahatsiaro ho tratran’ny tsindry hazo lena ireo mpanao gazety
Tontosa ny 6 oktobra lasa teo ny fiombonam-bavaka teo amin’ny mpanao gazety teny amin’ny katedraly Analakely. Ny « Cellule de crise » no nikarakara ny hetsika izay nampiseho ny fiombonana manoloana ny antsojay atao amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. »Asa masina ny asa fanaovan-gazety ka tsy tokony ho atao fitaovana hanakorotanana sy hampiadiana ny mpiray tanindrazana ary tadidio fa mahaleo tena ny mpanao gazety tsirairay » hoy i Rakotonirina Gérard, filohan’ny holafitry ny mapano gazety. « Afaka mivondrona ato amin’ny Cellule de crise ireo izay mahatsiaro fa voatohitohina amin’ny fanatontosana ny asa ka hiady hanohitra ny tsy rariny isika » hoy ny mpikarakara ny hetsika. « Fanombohana ny hetsika ity natao androany teny ami’ny Katedraly Analakely ity fa hiditra amin’ny dingana manaraka izay mbola ho lazaina eto ihany ny manaraka, hisy fivoriana savaranon’ando ho atao izao ny 16 oktobra ho avy izao » hoy ny mpitondra tenin’ny mpanao gazety, Ramanantsoavina Poussy.Tena ilaina eto amin’ny firenena tokao ny asa fanaovan-gazety izay mitondra fampandrosoana eo amin’ny lafin’ny serasera sy ny ita. Mahatsiaro ho voahitsaka anefa izy ireo ankehitriny, iza no tokony handray ny andraikitra ?
Nicole Rafalimananjara
