Autriche : Fivarotana alika tsy ara-dalàna
Mihamiroborobo ity fivarotana alika kely tsy ara-dalàna ity ao Autriche, hatramin’ny nisian’ity valan’aretina ity. Any Vienne, ao Autriche, niakatra avo telo heny ireo alika kely nisy nangalatra sy very. Ny tsy hain’ireo mpividy alika tsy ara-dalàna ireo anefa, mbola tsy voabaiko no sady marary ny ankamaroan’ireo alika alefa avy ao Europe ireo. Nanangana ivon-toerana mpanara-maso ny ao Vienne mba hanamafisana ny fiarovana ireto biby ireto. Nanamafy ny lalàna mifehy ny fahasalaman’ny biby ihany koa ny avy ao amin’ny Union Européenne, saingy tsy ampy hahafoana ny varotra amin’ireny tambajotra sosialy ireny anefa izany. Ity farany izay tena ahitana fivoarana mihoa-papana isan’andro.
