ActualitésTsidika

Tsiroanomandidy : Azo ny omby 180 isa

Mbola tena iharan’ny tsy fandrim-pahalemana ny faritra be omby, na dia efa maro aza ny ezaka amin’ny asan-dahalo. Miaina anaty tebiteby ny vahoaka ifotony na ny tompon’andraikitra any an-toerana koa aza. Tsy mitandro hasasarana anefa ny miaramila ka mampihatra ny paik’adiny sy ny fahaiza-manao maro manoloana ny asan-dahalo toy izany. Manaporofo izany ny zava-niseho tany Bepoaka Tsiroanomandidy ny 10 may lasa teo. Azon’ny miaramila avy amin’ny ZRPS Charlie sy ny 2BIA ny omby miisa 180 nangalarin’ny dahalo tao Bepoaka, distrikan’i Tsiroanomandidy tamin’io daty io ihany. Tsy ela teto ny valin’ny hasasarana satria vetivety ny nahazoana ireto ombin’ny vahoaka any an-toerana ireto. Anisan’ny nanamora ary nanafaingana hatrany ny hetsika toy izao ny fampiasana ny angidim-bin’ny Tafika an’habakabaka. Mbola eo am-panenjehana ny dahalo kosa izy ireo fa ny omby aloha no tratra. Manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpitandro filaminana miaro ny fananam-bahoaka ka izany indrindra no ilàna ny fankaherezana avy amin’ny vahoaka mba ho hery azy ireo am-piatrehana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire