SocialTsidika

Thailande : Mpanao fihetsiketsehana mpomba ny demokrasia dimy voapanga ho nanao herisetra tamin’ny mpanjakavavy

Mpikatroka demokratika dimy no voampanga tamin’ny alarobia 31 martsa lasa teo noho ny fikasana hanao herisetra tamin’ny Mpanjakavavy, fiampangana tsy fahita firy ao amin’ny firenena Thailande izany.  Ary sokajiana ho fady tanteraka any amin’ny fanjakana misy azy ireo. Gadraina mandritra ny 16 taona Ireo mpikatroka dimy ireo, izay nahazo fahafahana vonjimaika talohan’ny fotoam-pitsarana. Raha hita fa meloka tamin’ny famonoana ny ain’ny Mpanjakavavy izy ireo,  mety hiatrika fanamelohana ho faty mihitsy aza araka ny andininy 110 amin’ny lalàna famaizana Thaillande  izay manasazy izay rehetra fihetsika mahery setra atao amin’ny mpanjakavavy na manohitohina ny fahalalahany. Tsiahivina fa I Suthida no mpanjaka ao Thaïlande ankehitriny.

Laisser un commentaire