SocialTsidika

Maty antoka ny tantsaha mpamboly ankehitriny

Manao ny ezaka rehetra amin’ny famokarana ireo entana ilain’ny mponina andavan’andro ny tantsaha. Tafiditra ao anatin’izany ny legioma sy ny mifanaraka amin’izany. Marihina fa tantsaha avokoa ny 80% ny Malagasy. Midadasika ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara, ary azo volena avokoa ny karazam-boly maro samihafa. Fanentanana natao ho an’ny tantsaha rehetra ny teny hoe “mamokatra” satria io no antoky ny fampandrosoana sy ny fiveloman’izy ireo. Nijoro teny ambanivohitra rehetra teny ny fikambanana samihafa hanampy ireo tantsaha eo amin’ny lafiny fambolena. Nijoro ihany koa ny karazana banky isan-karazany hampindram-bola ireo manana tetikasa tsara rindra, ary mirary ny zana-bola satria kely no halaina amin’izy ireny. Ny hita anefa, miha mahantra ny mpamboly eto Madagasikara. Anisan’ny olana sedrain’izy ireo ny fisian’ny vahiny manajary ny tany azo volena. Eo ihany koa ny hetraketraky ny natiora izay manimba tanteraka ny vokatra maro andrandraina ho azo. Miezaka mandefa teknisianina maro ny eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena saingy toa tsy maharaka izany amin’ny fampianarana ny mponina. Mpanentana iray mantsy ho an’ny tantsaha arivo mahery. Ny toerana misy ny tantsaha ihany koa mitsitokotoko, ka zary tsy maharaka izy ireny. Ataon’ny mpanangombokatra ampihimbamba ny vokatra eny ambanivohitra, indrindra ireo vokatra mora simba. Maty antoka araka izany ny tantsaha mpamboly noho ny fanararaotana ataon’ny mpamongady sy mpanangombokatra; Izy ireto izay mahazo tombony kokoa nohon’ny tantsaha mpamokatra. Vahaolana ny hanomezana fanofanana mahomby kokoa ho azy ireo hiatrehana ny fiakaran’ny vokatra mba tsy ho maty antoka hatrany izy ireo. 

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire