Avaradrano : Misokatra ny fisoratana anarana amin’ireo fiofanana ao amin’ny Gasy Tosika
Fikambanana iray manome sehatra ny tanora na ny olon-dehibe amin’ny fiofanana momba ny fanaovana tao-volo sy ny fikarakarana endrika, ny lakozia sy ny fanaovana mofomamy ary ny zaitra ny Association Gasy Tosika. Amin’izao fotoana izao, misokatra ny fisoratana anareo ho amin’ireo fiofanana ao amin’ny ivon-toerana ho an’ireo izay liana ny amin’izany.
« Mitohy hatrany ny fandraisana ny anaran’ireo mpianatra na tanora izay liana amin’ny fiofanana atolotry ny fikambanana. Maro ireo izay efa nahita tombotsoa tamin’ny fanarahana fiofanana tato aminay ka tongava hatrany ho an’ireo izay te hahay momba ny lakozia, ny fikoloana ny endrika amam-bika sy ny zaitra » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fikambanana.
« Efa sarotra ny mitady asa amin’izao fotoana izao. Anisan’ny manampy betsaka ny tanora amin’ny fitadiavana sy fameloman-tena ny fahaizana manao asa tena ankoatra ny fianarana ka tsara raha miditra sy mandalina ireo karazana fiofanana isan-karazany » hoy i Aina, mpiofana momba ny zaitra.
Anisan’ny fitrandrahana talenta sy fanehoana ny haingam-panahy ihany koa ny fanarahana fiofanana amin’ny sehetra tahaka izao. Manampy ny tanora tokoa izany raha mahay mitrandraka izany fahaizana izany izy ireo ary mitondra fandrosoana ho azy ny fampiarana izany.
Manitra Ramanantsoa
