Australie : Olona enina maty noho ny fifampitifirana
Olona enina no maty nandritra ny fifampitifirana niseho tao amin’ny fanjakan’i Queensland ny alatsinainy teo raha ny tatitry ny manam-pahefana tao an-toerana omaly. Polisy 26 sy 29 taona vao nanomboka ny asany ny roa tamin’ireo raha ny fanamafisan’izy ireo.
Teo am-pisakafoana no nahary antso avy tao amin’ny tanana kelin’i Wieambila ny polisy hoy ny filohan’ny sendikan’ny polisy ao Queensland, Ian Leavers. Vao tonga teny an-toerana nefa ireo polisy ireo dia voatifitra avy hatrany hoy izy.
Olona telo, vehivavy iray sy lehilahy roa kosa no voarohirohy tamin’ny fanatanterahana io fifampitifirana io hoy ny « commandant » ny polisy, Katarina Carroll. Nanazava izy fa hita faty fotoana vitsy taorain’ny fifampitifirana izy ireo. Mpampianatra iray sy ny rahalahiny ary ny vadin’ny rahalahiny ireo nahavanona ny loza ireo saingy tsy fantatra mazava ny anton’ny fifampitifirana.
