ActualitésTsidika

Tetik’asa « ndao hifidy » : Hanentanana ny olom-pirenena amin’ny fifidianana       

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny tetik’asa “ndao hifidy” izay tetik’asa vatsian’ny USAID vola hanentanana sy hamolavolana ireo tetika rehetra mety hampahomby ny fifidianana. Anisan’izany ary mitana anjara toerana lehibe ny serasera izay manampy amin’ny fifidianana foana. Mitentina 1.2tapitrisa dolara ny vola mitontona amin’ity tetik’asa ity.

“Toy ny anarany ihany dia noraisina avy amin’io anarany io ny tanjona lehibe indrindra amin’ity tetik’asa ity. Hanentanana sy hampiroboroboana ny fahazotoana hifidy no antony hanaovana ity tetik’asa ity. Mbola hita tokoa mantsy fa mbola malaina ny olona sasany amin’ny fifidianana na dia fantany aza fa adidy izy io ary mety hitondra anjara biriky izy amin’ny fampndrosoana an’ny Madagasikara amin’izany. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fifidianana avokoa ny karazan’olona rehetra na tanora, na olondehibe, na ireo manana fahasembanana sy ireo izay ahiliky ny fiaraha-monina ka izany ihanyn koa anisan’ny antony nananganana ity tetik’asa ity”, hoy ny mpamolavola ny tetik’asa.

“Teknika maro no hampiasaina hampitomboana ny isan’ireo mpifidy. Tanjona ihany koa ny mba hahazoan’ny olom-pirenena ny mahazava-dehibe ny fifidianana izay mbola tsy rarahiana loatra ka ao anatin’ity tetik’asa ity ny EISA dia hanolotra fanabeazana sy hampianatra fahaiza-miaina amin’ireo mpianatra eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa ny mahaksika izany. Eo ihany koa ny eny anivon’ny fiaraha-monina rehetra eny”, hoy ny avy ao amin’ny EISA, izay avy ao amin’ny USAID ihany koa.

Mbola maro ny ezaka tokony hatao amin’ny fanarenana ity fifidianana ity noho ireo lesoka maro mbola tsy voafehy. Mbola maro ihany koa ireo olom-pirenena no tsy manatanteraka ny adidiny ka ilaina noho izany izao fanentanana izao. Natao indrindra izao mba hampiroboroboana ny fahalalana sy ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny zotram-pifidianana sy ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana 2023.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire