SocialTatitra

Haïti : Vatana mangatsiaka am-polony mahery hita tao Port-au-Prince, novonoin’ireo andian-jiolahy

Fatin’olona manodidina ny dimy ambin’ny folo no hita tao amin’ny faritr’iPort-au-Prince, omaly alatsinainy. Nisy ny fanafihana nataon’ireo andian-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika, izay mifehy ny firenena any an-toerana amin’izao fotoana. Vao nanomboka ny maraina dia efa nanao ny fanafihana ireto farany ary nanao herisetra entina hanehoana ny hamafisan’ny krizy ao Haïti amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay, manafika ireo banky sy tobin-dasantsy maro ary ireo toeram-ponenana (résidences privées) ihany koa ireo andian-jiolahy ireo. Anisan’ny trano notafihin’izy ireo ihany koa ny tranona mpitsara iray, izay afaka nitsoaka nandositra moa ireo tompon-trano noho ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana ara-potoana, araka ny fanazavana hatrany. Ny 80% amin’ny faritry ny renivohitra ao Haïti  no  eo am-pelatanan’ny andian-jiolahy ary fehezin’izy ireo amin’izao fotoana. Miseho ireo fanararaotana isan-karazany ao anatin’izany,indrindra ny vono olona, ny fanolanana, ny fandrobana ary ny fakana an-keriny.

Laisser un commentaire