Ny vatsim-pianarana eny Ankatso
Anisan’ny mampazoto ny tanora vao afaka fanadinana Bakalôrea ny hianatra eny amin’ny anjerimanontolo eny Ankatso noho ny fisian’ny vatsim-pianarana isam-bolana. Ny mpianatra ho Mpitsabo no misitraka voalohany io vatsim-pianarana io taloha, izay vao manaraka ny fakiôlte hafa. Amin’izao fotoana izao anefa, mbola tsy nahazo izany izy ireo na dia efa hifarana aza ny taom-pianarany 2019-2020. Nanao fitarainana ireo mpianatra, ny Talata 09 febroary, hamoahana io vatsim-pianarana io. Fitakiana tsotra no nataon’izy ireo tamin’izany. Raha tsy mivaly vetivety izany dia mety hisy grevy eny an-toerana. Miandry ny sonian’ny praiminisitra sy ny filohan’ny repôblika ny hamoahana ireo vola ireo hoy ny tompon’andraikitra. Raha izany vatsim-pianarana izany no lazaina dia fanohanana omena ny mpianatra amin’ireo mety ho filany ara-piofanana mandritra ny taom-pianarana eny amin’ny oniversite. Izao anefa efa hifarana ny taom-pianarana raha ho an’ny mpianatra ho mpitsambo manokana. Amin’ny volana May kosa ho an’ireo mpianatra sisa. Mbola tsy misy anefa izay fanohanana ara-bola izay.
Nicole Rafalimananjara
