Nouvelle Zélande : Solombavambahoaka nandà hanao fanamiana « mihaja »
Didin’ny lalana ao Nouvelle Zélande ny fanaovana fanamiana mihaja rehefa misy fivoriana kasaina eo anivon’ny parlemanta. Solombavambahoaka iray any an-toerana anefa no tsy nety nitondra izany nohon’ny filazany fa mbola voazanaka izay manao izany. Ity solombavambahoaka ity izay voasokajy ao anatin’ny mponina « maorie ». Mbola maorie ny 15% ny mponina ao amin’ity firenena ity. Tsy dia rarahin’ny mpitondra fanjakana lotra izy ireo nohon’ny fahantrany sy ny tsy fananana asa amin’ny ankabeazan’izy ireo. Zana-tany britanika i Nouvelle zelande, ka izany no antony tsy haneken’ity solombavambahoaka ity izany.
