Fitondrana Andry Rajoelina : Misy mikatsaka ny handrava mihitsy ve ?
Hita sy tsikaritra fa misy mikatsaka ny handrava ny Fitondrana Andry Rajoelina. Efa betsaka no nanaratsy azy hatrany am-boalohany tamin’ireo mpikamana rehetra mandrafitra ny antoko MAPAR sy ny fanamboarany fotodrafitrasa izay tsy lohalaharana ary raha vao tsy ela akory no niparitaka fa misy mikasa hamono izy, izao indray tafapetraka ny Governemanta vaovao vao natsangany sy ny Praiministra Ntsay Christian, misy mamoaka daholo indray ny « dossier » maloton’ireo ministra vaovao.
Fanehoan-kevitra miendrika fanontaniana no nasetrin’i Noro, mpikambana ao amin’ny antoko politika iray : « Tsy nanao fanadihadiana tsara ve ny Filoha tamin’ny nandray ny antontan-taratasin’ireo ministra ? Tsy nisy ve ny sivana, sao dia vonjimaika ny fanendrena Ministra ? »
Manohitra izany i Santatra, mpianatra eny Ankatso : « Mahafantatra ny ataony ny Filoha, ary manana ny mpanolo-tsaina miara-miasa aminy izy. Efa voadinika mialoha avokoa ny zavatra rehetra. Ary aoka tsy odiana tsy fantatra fa manana ny planiny koa ny Fitondrana fa tsy ireo izay mikasa ny hamotika azy ihany no nanomana planina handravana. Na maro aza ireo te handrava azy, manana tetik’ady afaka hoenti-miady ny tenany ».
Misy amin’ireo mpanara-baovao ihany koa no milaza fa « olona ao amin’ny fitondrana ihany no manipy hoditr’akondro azy fa tsy olona hafa akory. Ny mpanohitra afaka miteny sy manaratsy fa tsy ao anatiny nefa. Ny ao anatiny ihany no manam-pahefana voalohany hamotika azy tsikelikely ao ». Ireo mpanara-dia ny Filoha moa mankahery azy hatrany na eo aza izany rehetra izany.
Raha ny hita sy tsikaritra aloha hatreto, fimonomomana, tsy fankasitrahana ny fanapaha-kevitra sy safidin’ny Filoha Andry Rajoelina eo amin’izay sehatra rehetra ataony no mibahan-toerana eto Madagasikara. Marina fa izy no voatendry ho lohan’ny firenena, kanefa aoka ho tsaroana fa olombelona ihany koa izy, manana ny vinany sy tetika hoentiny ampandrosoana an’i Madagasikara.
Ny toe-tsaintsika Malagasy kosa no tokony amboarina manoloana ny fandraisana ny ezaka ataon’ny Filohantsika. Rahoviana vao hiova Madagasikara raha isika samy Malagasy ihany no hifamingana ?
Tsangy Randriamampianina
