Ankadikely Ilafy : Hisy ny fampiofanana maimaimpoana mahakasika ny fiompiana sy ny fambolena
Hisy ny fampiofanana maimaimpoana mahasika ny fambolena sy ny fiompiana, ho an’ireo mponina ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny manodidina, izay hatao manomboka ny 05 okotobra ka hatramin’ny 23 ny volana novambra izao ao amin’ny biraon’ny kaominina Ankadikely-ilafy ka hanomboka amin’ny 09 ora maraina izany. Fiaraha-miasa an’ny « Centre de formation Agricole Aina, Enfance et Avenir » Antanandrano sy ny kaominina no nisian’ity fiofanana ity.
« Fampiofanana izay hianarana ireo teknina nohatsaraina amin’ny fiompiana bitro, fiompiana akoho fakana nofo, fiompiana akoho manatody lava ary ny fiompiana, fampiterahana sy fanatavezana kisoa no hiseho mandritra ny fotoana, izay omena maimaimpoana ireo izay liana amin’izany » hoy ny mpikarakara.
« Ny fanosehana sy fanomezana ny sehatra ny fambolena sy fiompiana no anisan’ny manavotra sy ahazoana tombotsoa raha jerena amin’ny fara-piainana eto madagasikara. Mbola tantsaha, mpamboly, mpiompy avokoa ny ankabeazan’ny mponina eto ka tsara raha any no omena vahana kokoa raha te hanatsara fari-piainana » hoy i Rolland, mpahay toe-karena.
Mbola tany an-dalam-pandrosoana tokoa i Madagasikara, ny seha-pivelomana fototra no miba-toerana eto amintsika; mety ho vahaolana entina hampandrosoana tokony handrisihana ny mponina, indrindra ny tanora ny fifotorana amin’ny fampiroboaroboana ny sehatra fiompana sy fambolena, ahafahana mivelona sy mahavita tena ara-tsakafo.
Manitra Ramanantsoa
