Nosy Varika : Mianatra amin’ny sekoly tsy zarizary ireo mpianatry ny EPP sy CEG
Tsy zarizary, tsy manaraka ny fenitra, ary tsy mendrika ny atao hoe « fampianarana » raha ny foto-drafitr’asa any amin’ireny faritra sasany eto Madagasikara ireny. Ny foto-drafitr’asa an-tanan-dehibe anefa matetika dia voavoatra tsara, ary « manara-penitra » mihitsy aza.
Mifanohitra tanteraka amin’izany ity any Ampahomanitra Nosy Varika ity, satria dia tsy zarizary ny efi-trano fianaran’ny mpianatra amin’ny EPP sy CEG any an-toerana. Tsy misy mihitsy moa izany efi-trano izany sady tsy misy seza sy latabatra ihany koa, hany dia any amin’ny fiangonana sy any amin’ny toerana fanaovana alim-pandihizana no mianatra ny mpianatra, ary mipetraka ambany amin’ny tany.
« Vizana ny ankizy mipetraka amin’ny tany sady manoratra satria diso miforitra loatra ny lamosiny, lasa manjary tsy mazoto mianatra izy ireo, amin’ireo mpianatray ireo anefa dia misy tena azo lazaina ho mahay fa noho ity olana amin’ny fitaovana sy foto-drafitr’asa ity dia mihena ny isan’ny mpianatra isan-taona », hoy i Rodolphe, mpampianatra ao amin’ny CEG Ampahomanitra. « Mampalahelo loatra ireto zanakay, raha mahita ireny fianarana manara-penitra ireny izahay dia toa mieritreritra hoe raha ny vola lanyb amin’izy itony mety mahavita trano fianarana roa dia samy mahazo na izahay aty na ny any andrenivohitra any », hoy i Damosy, Ray aman-drenin’ny mpianatra.
Fototra iray tsy mampandroso an’ny Madagasikara ity fampianarana tsy zarizary ity. Mampalahelo ihany koa anefa ny mieritreritra fa toa tsy rarahiana ihany izy io any amin’ny tany lavitra andriana any. Manana ny zo hianatra ny ankizy tsirairay ary indrindra hianatra amin’ny sekoly manaraka ny fenitra maha-olona. Tokony hisitraka ny zony avokoa araka izany ny mpianatra rehetra tsy ankanavaka. Mila jerena akaiky ary hitondrana vahaolana farak’izay haingana izany zava-misy izany.
Miora Raharisolo
