Antohomadinika : 15 ka hatramin’ny 24 taona ireo tanora mpamaky trano
Dépêche 29 septembre, 13h, Mbola tanora tokoa, asa raha noho ny tsy fananana asa na noho ny hakamoana ihany koa fa manao andiany mihitsy ireto tanora mamaky trano ireto ary izao tratran’ny Polisy PPA4 Antohomadinika izao ka natolotra ny fitsarana. Misy mbola tsy ampy taona izy ireo satria dia 17 hatramin’ny 24 taona eo ary efa mpamerin-keloka no sady mpitsindrona zava-maha-domelina mahery vaika.
