Social

Marovoay : Jiolahy tratran’ny zandary

Latsaka anaty fahantrana ny malagasy amin’izao. Misy ihany koa ireo tsy te hisasatra fa faly hihinana ny hatsembohan’ny hafa fotsiny. Miasa mafy ireo zandary manoloana ny tsy fahandriam-pahalemana vokatr’izany. Tsy mandry andro tsy mandry alina izy ireo manejika ireo dahalo mpanabotry ny vahoaka Malagasy. Manaporofo izany ny tranga nisy tany amin’ny kaominina Soaniadanana, distrikan’i Marovoay ny alin’ny 08 febroary lasa teo. Fanafihana nataona jiolahy mirongo fiadiana, naharatrana lehilahy iray ary vola mitentina 2 tapitrisa Ariary sy finday iray no norobain’ireo jiolahy. Tsy niandry ela ny zandarimaria tany an-toerana fa vantan’ny vao naheno ny fanafihana dia tonga teny an-toerana ny alin’io ihany. Voasambotra tamin’izany ny jiolahy miisa 6 niaraka tamin’ny basy poleta vita gasy iray. Haingam-piasa ny zandary ary hiaro ny vahoaka sy ny fananany no andraikiny voalohany. Izany indrindra no ilaina ny fanampian’ny Malagasy rehetra amin’ny fanomezana vaovao azy ireo hatrany mahakasika ny asa toy izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire