Social

Mateti-pitranga loatra ny lozam-pifamoivoizana

Anisan’ny miteraka lozam-pifamoivoizana ny tsy fanajana ny lalàna mifehy sy mipetraka eny an-dalam-be. Ankoatra izany, ny fandehanana mafy, ny tsy fahazoana alalana hitondra, ny tsy fahatomombanan’ny fiara hoentina izay mahatonga loza avokoa. Ahitana toro-marika ho amin’ny fifamoivoizana manerana ny lalam-pirenena rehetra. Ny fanajana ireny fepetra ireny no antoka iray mampilamina ny fifamoivoizana. Mila fanaraha-maso hatrany ny fiara alohan’ny hiangana amin’ny toerana iray. Sprinter iray teny amin’ny lalam-pirenena fahahefatra no vaky kodiarana teo aloha ka nahatonga faharatran’ny mpandeha izay tao anatiny. Nodimandry ny 2 tamin’izy ireo vokatry ny dona mafy nihatra taminy. Nitondra mpandeha 15 mianaka moa ity fiara ity. Avy any Antsiranana hihazo an’Antananarivo izy ireo izao niharam-boina izao. Teo amin’ny tetezana iray antsoina hoe Ambanjabe no nisehoan’ny loza. Naratra avokoa ny mpandeha sy mpamily fa ny 4 amin’ireo no tena maratra mafy. Ilaina hatrany ny fahamailoana mba hialana amin’ny loza tahaka izao.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire