Mitarika loza ny fahatapahan’ny rano
Foana sy kila tao anatin’indray mipi-maso ny entana tao anatin’ny trano iray tetsy Analamahitsy. Nitrangan’ny haintrano tamin’ny fotoana tsy nahateo ny tompon-trano. Fahatairana no nandrenesan’izy ireo fa may ny tranony. Tra-boina tanteraka izy ireo arak’izany nohon’ny fahasimban’ny zavatra maro. Somary nanano sarotra ny mpamonjy voina ny fitadiavana rano teny an-toerana mba hamonoana ny afo. Niezaka nanao izay ho afany ihany koa ny mponina teny an-toerana hamonjena ity trano ity. Na dia nitatitra rano aza izy ireo, tsy nahasakana ny afo tsy hihitatra izany. Ny azon’ireto farany natao dia ny namoka ireo entana sisa tsy may tety ambany. Mbola tsy fantatra ny niandohan’ny afo. Miteraka firehetan’ny trano eto Antananarivo matetika ny tsy fahatomombanan’ny herinaratra. Ankoatra izany ny fametrahana azy ireny tsy dia ara-dalana lotra, ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso izay miteraka fahamaizan’ny trano avokoa. Tokony hatao fahazarana isan’andro mba hisorohana ny loza ny fijerena ireo fitaovana hampiasaina amin’ny herinaratra. Tsy nisy moa ny aina nafoy nandritra izany fa may teo amin’ny tarehiny kosa ny tompon-trano izay niezaka naka ireo entana sisa tsy may.
Fanilo Rarivoarilala
