Fanampiana amin’ny fandraharahana
Programa Nasionalim-panjakana novolavolain’ny mpitondra ny “fihariana”. Fandaharana hanomezana fanohanana ara-teknika sy ara-bola ireo Malagasy manana tetik’asa azo tanterahina. Hampivoatra ny toekarena sy ny fampiavoarana arak’asa no tanjona. Ilaina tokoa ny fampiroboroboana farany izay haingana ny toe-karena eto Madagasikara. Ny fanomezana lanja ny vita Malagasy ihany koa dia sarobidy. Manomboka amin’ny 200 000 ar ka hatramin’ny 200 tapitr’isa ariary moa no azo hindramina amin’izany. Maro ireo nisoratra anarana ho amin’izany nandritra ny taona 2020. Maro amin’ny Malagasy no manana fikasana handraharaha saingy ny hoeti-manana hiatrehana izany no tsy ampy. Izany indrindra no antony hisian’ny “fihariana” hanohanana ny tanora Malagasy. Nanao tatitra ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tetik’asa ny talata 9 febroary lasa teo mahakasika ny asa vitany nandritrany taona 2020. Hita mandritra izany fa tetik’asa miisa 7 550 no voaray antanana. Hamorona asa hatrany amin’ny 78 578 moa izy ity. Vola mitentina 85.681.245.320 no hampiasaina hamatsiana ireo tetik’asa ireo. Raha jerena ny antontan’isa, lehilahy no betsaka kokoa nohon’ny vehivavy,ary eo amin’ny 31 taona no sokajin-taona misongadina.
Fanilo Rarivoarilala
