Social

Ny fizotry ny tetik’asa fiaran-dalamby

Nolazaina nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ny hametrahana fiaran-dalamby na « tramway » eto Antananarivo. Tafiditra ao anaty tetik’asa IEM izany. Efa manomboka ny asa ankehitriny ary haharitra 18 volana eo eo ny fametrahana azy. Omaly Talata 09 febroary no tonga ao amin’ny SMMS seranan-tsambon’i Toamasina ny lôkômôtiva sy ny « wagon » miisa fito izay nafaran’ny fitondram-panjakana entina hanatsarana ny fitaterana eto an-drenivohitra. Hasiana fanatsarana ny gara eto an-drenivohitra araka izany mba ho zavatra tsara no handraisana ireo fitaovana vaovao ireo. Mety hisy fandravana ny trano manodidina io tetik’asa io hoy ny Minisitry ny fitaterana, Joël Randriamandranto. Raha hisy anefa izany fandrodanana izany dia tokony hisy ny vahaolana dieny izao ho an’ireo trano mety ho voakasik’izany mba tsy hisian’ny olana amin’ireo tompon-trano indray. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire