Social

Ny zava-nitranga tao amin’ny Oniversiten’Antsiranana

Heloka be vava no handraisan’ny mpitandro filaminana ny hetsika ataon’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana. Voaray ho mpitarika ny korotana eny an-toerana ny mpianatra voasambotra nandritra ny fihetsiketsehana. Niakatra fampanoavana avy hatrany izy ireo taorian’ny nisamborana azy. Fitakiana ny mba hahazahoan’izy ireo jiro sy rano ara-dalana eny amin’ny tranon’ny mpianatra no niatombohan’ny hetsika. Niafara tamin’ny fisamborana mpianatra 16 izany tamin’ny 28 janoary lasa teo. Ny mba hamoahana ireo namany ireo indray no tanjona tamin’ny Alatsinainy 8 febroary ka izao nisamborana mpianatra 4 izao indray. Tsy fahazakana fitarainana avy amin’ireo mpianatra ve sa tena fanakorotanana tokoa izao ataon’ny mpianatra izao izay tsy aiza fa ao amin’ny faritra misy azy ihany no hanaovany ny fitakiana ? Mangataka ny hanafahana ireo namany 9 nahiditra am-ponja nanomboka ny 25 Janoary lasa teo araka izany ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana. Mitaraina ihany koa izy ireo fa samborina avy hatrany izay mpianatra mivorivory eny an-toerana na manao inona na manao inona ka miteraka tebiteby ho azy izany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire