SocialTsidika

Ihosy : Ny ray aman-dreniny ihany no mody naka an-keriny ny zanany

Samy nangalarin’ireo mpangala-jaza tao amin’ny faritra Ihosy ny zazakely miisa roa izay 6 taona sy 10 taona tsy iray tampo ka samy tsy tao an-toerana ny ray aman-dreniny. Akory anefa ny hagagana fa ny ray aman-drenin’ilay zaza 10 taona ihany ireto nangalatra ny zaza ireto ho entina hampihorohoroana ny manodidina sy hakana vola any amin’ilay ray aman-drenin’ilay zaza 6 taona.

« Politika nampiasainy tsy hahatratrarana azy fotsiny ny mody nakany an-keriny ny zanany ary ho mora aminy ihany koa ny hahazo vola avy eo, kanefa diso paika izy ireo ka izao tratra izao » hoy ny solontenam-panjakana nay na-toerana. « Nandefa hafatra tamin’ny findray ilay renim-pianakaviana fa mila 10 tapitrisa Ariary, ka mody nilaza izany tany amin’ilay ray aman-dreny hafa. Ireto farany moa tonga dia nanatona mpitandro filaminana avy hatrany nitantara ny zava-nisy, ka nanomboka teo no nanaovana ny fikarohana. hoy i Baovola, mponina any an-toerana, nitantara ny zava-nisy.

« Hita ny trano nanafenana ny zaza ka lehilahy mitam-basy no hita tao niaraka tamin’ireto ankizy, voatery izahay nitifitra nahafaty azy satria nandrahona ny hitifitra avy hatrany ireto zaza ilay lehilahy, nataony fotsiny izay hamitahana olona sy hakana vola amin’ny fomba tsotra » hoy ny mpitandro filaminana any an-toerana. Marihina fa salama tsara avokoa ireto zaza nalaina an-keriny ireto raha mody nalaina an-keriny ny iray.

Mila mailo hatrany isika ray aman-dreny ka rehefa tojo olana dia manatona ny manam-pahefana avy hatrany, fa tsy sanatria handray vahaolana samirery.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire