ActualitésTsidika

Ambohimandroso : Saron’ny Zandary ireo mpitondra paraky gasy

Fiarabe iray nitondra paraky gasy sy vovony miisa 14 gony tokony ho 1 000 kg eo no saron’ny zandary ny 23 novambra lasa teo. Nisy ihany koa bisikileta efatra nitondra paraky gasy 5 gony hafa izay sarona ny andron’io. Marihina fa ny Lieutenant Jonarry no nandrindra izao asa izao izay niarahana tamin’ny Zandarimaria tao Ambohimandroso ary ny orinasa Ofmata no nangataka fiaraha-miasa tamin’ny zandarimaria ka nahazoana ny angom-baovao.

« Rehefa tratra ny mpamily, izay sady tompon’ny fiara, dia nihaiky fa voakarama izy fa ny tompon’entana dia nandeha fiara fitateram-bahoaka, fa kosa natolotra ny Ofmata ny fanaovana ny fanadihadihana fa izahay nanome tanana fotsiny ihany » hoy ireo mpitandro filaminana. « Ny fambolena, fivarotana, fitaterana, fanodinana dia fehezin’ny « arrêté interministériel » faha 18171/2003 ny 22 Oktobra 2003 ka ny Ofnalat no miandraikitra ny fanarahamaso rehetra » hoy i Fanja, mpahay lalàna.

« Miaina amin’ny tany tan-dalàna isika ka tokony hanara-dalàna hatrany mba tsy hisian’ny olana sy hidirana am-ponja » hoy i Fetra, mpianatra ao amin’ny FDSP Ankatso. Isan’ny ratsy sy miteraka tsy fandriam-pahalemana eto amintsika tokoa ny zava-mahadomelina ary tafiditra ao amin’izany ny paraky. Betsaka ihany koa ny olona efa miankin-doha amin’izy ireny ary mametraka izany ho fanafody ho an’ny tenany saingy kosa tsy mahasoa ny fahasalamana noho izy mahadomelina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire