SocialTsidika

Mitera-doza ho an’ny adolantsento sy ny tanora ny tambajotrantserasera.

Efa saika mahay mampiasa Internet avokoa ny olona rehetra ankehitriny. Ny tanora no tena efa tafiditra tanteraka ao anatin’izany. Tsy mifidy sokajin-taona intsony ankehitriny ny fampiasana azy io. Mizotra malalaka tsy misy teritery ny fikirakirana ny tambazotran-tserasera maro isankarazany, ka maro ny roboka. Maro ny tombontsoa azo raisina manoloana izany. Hita fa manamora ny fifandraisana amin’ireo lavitra ny fampiasana tambazotran-tserasera. Manamaivana ihany koa ny asa amin’izao andro izao. Azo lazaina ho tsy afa-miala amin’ny fikirakirakirana ny Internet ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana. Betsaka ihany koa ny milaza fa mampiala voly ny fampiasana azy. Eo anatrehan’izany indrindra no tokony hahamailo ny tsirairay indrindra fa ny tanora. Anisan’ny voka-dratsy hita amin’ny fampiasana azy itony ny firoboroboan’ny fisolokiana sy ny halatra amin’ny fomba maro isan-karazany. Fa ny tena zava-doza, izay manambana ny tanora maro ankehitriny, ny fanararaotana ara-nofo. Ankoatra ny tranga mivantana izay efa hitantsika ankehitriny, tsy vitsy ihany koa ireo manao izany amin’ny tambazotran-tserasera toy ny Facebook. Miatomboka amin’ny fifaneraserana anaty hafatra miafina izany. Misy amin’ny tanora moa ny milaza fa zava-dehibe amin’izy ireo ny firesahana amin’ny olona vaovao, ka mahatonga ny mpanararaotra hanao ny asany. Roboka amin’ny fandefasana sary mamoafady ny hiafaran’ny fifaneraserana, satria hain’ny mpanararaotra ny manambitamby azy amin’ny teny mamy isan-karazany. Tsy arak’izany anefa ny zava-miseho fa miafara amin’ny fandrahonana izany aveo. Milaza ny mpanararaotra fa hanaparitaka ny sary rehefa tsy manaiky ny hiray ara-nofo aminy ny ankizy iray na tanora iray. Ireo tsy ampy taona matetika no tena lasibatra amin’ny tranga tahaka izany. Vahaolana ny fanaraha-maso sy ny fifampiresahana eo amin’ny Ray amandReny sy ny zanaka araka izany. Hita mantsy ankehitriny fa mihen-danja io fifanereserana io nohon’ny fitadiavana.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire