Tsy fitovian’ny vatsim-pianarana raisin’ny mpianatra.
Nahitana korontana ny fitsinjarana ny vatsim-pianarana tamin’ity taona ity. Ny « digitalisation », na fampidirana ny torohay anaty solosaina, no vahaolana naroso hanisana ireo mpianatra sy hanamorana ny fizarana izany. Efa saika vita ny ankamaroan’ny fakiolte tsirairay amin’izao. Samy nanao fitakiana an’io vatsim-pianarana efa-bolana io avokoa ny oniversite manerana ny nosy talohan’izao. Natomboky ny Oniversite Mahajanga, avy eo ny tany Antsiranana, ny teto Antananarivo, ny tany Toamasina, Fianarantsoa ary ny Oniversiten’i Toliara tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny fitokonana. Ny tany Toliara ihany anefa no hisitraka izany efa-bolana izany amin’ity. Tokony tsy atao mitanila fa ampitoviana tsara io vatsim-pianarana zaraina io hoy ny mpianatra maro, ilay fifampiresahana milamina nisy tany Toliara ve no anton’izao ? Vatsim-pianarana iray volana ihany ny an’ny sasany no azo na dia namoizana ain’olona iray aza, raha ny tany Toamasina ohatra. Fanampin’izay ihany koa, novaliana avokoa ny hetahetan’ny mpianatra tany Toliara izay nanaovany fitokonana ary efa am-perinasa aza amin’izao.
Nicole Rafalimananjara
