ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny fivoriana mahakasika ny tetik’asa « Prirtem »

Nisy ny fivoriana mahakasika ny tetik’asa Prirtem, ny talata 31 oktobra teo izay niarahan’ny ministera misahana ny angovo sy ny akoran’afo, ny avy amin’ny distrika Avaradrano ary ireo ekipa avy amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tao amin’ny biraon’ny kaominina Ankadikely Ilafy no nanatanterahana izany, araka ny voalaza.

“ Voadinika nandritra ny fivoriana fa hisy ny fidinana ifotony ao anatin’ny 15 andro izay ho tanterahin’ireo « Komity manokana » hanao ny tombam-bidin’ireo tany hanganana ireo « Pylônes » mitondra ny herinaratra” hoy ny avy amin’ireo tomponadraikitra.

“Teto ihany koa no nandraisana ireo izay ho mety fitarainana avy amin’ireo tokantrano voakasik’izany eto amin’ny faritry ny kaominina. Marihina fa mandalo eto Ambohibe, ary mifarana eto Manazary ny tetikasa, eto ihany koa no hisy ny fanorenana ny « Postes sous-stations » hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa, fa izao tetikasa izao dia natao indrindra mba hanamafisana ny tanjaky ny herinaratra mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.

Manitra R.

Laisser un commentaire