PolitiqueTatitra

Ukraine: Namely toerana 118 tao anatin’ny iray andro Rosia

Nambaran’i Ukraine fa namely toerana 118 tao anatin’ny iray andro i Rosia. Nilaza ny minisitry ny atitany Ihor Klymenko fa faritra 10 amin’ireo 27 ao Ukraine no lasibatry ny tafika Rosiana, ka niteraka fahafatesana maro. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, nanetsika miaramila maro ho any amin’ny tanànan’i Avdiivka, any Donbass i Rosia, saingy nosakanan’i Ukraine ny fanafihan’izy ireo. Nokendren’i Rosia ihany koa i Kupiansk izay ezahan’ny tafika Ukraine hiverenana alaina. Hatramin’ny nanombohan’ny fanafihana, dia nahazo toerana kely i Ukraine na dia teo aza ny fanohanan’ny fitaovam-piadiana tandrefana. Niaiky i Volodymyr Zelensky fa tsy afa-po tamin’ny fandrosoan’ny tafiny izy, ary naveriny ihany koa fa ilaina ny fitaovam-piadiana hafa mba handroahana ireo mpanafika.

Laisser un commentaire