ActualitésTatitra

Singapour : Tsy esorina amin’ny asany intsony ireo « hôtesse » mitondra vohoka

Tsy nety tamin’ny Singapour Airlines ny nampiasa « hôtesse de l’air » nitondra vohoka. Nanambara ny mpitsabon’ny orinasa fa tsy afaka miasa an’habakabaka ireo vehivavy bevohoka.

Nanao fanambarana nefa izy ireo ny 12 oktobra teo fa tsy ho esorina amin’ny asany intsony ireo « hôtesse » mitondra vohoka. Mahazo fahazoan-dalàna tsy miasa mandritra fotoam-piterahany ireo vehivavy ireo ary afaka miverina miasa indray avy eo. Anisany nahatonga io fanampahan-kevitra io ny fitilian’ireo vondrona mpiaro ny zon’ny vehivavy ny Singapour Airlines.

Nanamafy ny tomppon’andraikitrin’ny Singapour Airlines fa afaka miasa an-tanety mandritra ny 3 hatramin’ny 9 volana ao amin’ny orinasa ihany ireo «hôtesse » mitondra vohoka ireo. Efa dingana lehibe kosa izany hoy ny mpitarika ny Aware (Association des femmes pour l’action et la recherche) ao Singapour, Corinna Lim.

Laisser un commentaire