ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nanohy ny hetsika fampisakafoanana an-tsekoly ny Association Soa

Fikambanana iray mijoro ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ny Association Soa, izay tarihin’ny vadin’ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina. Nisy ny hetsika fanohanana ny ankizy teny amin’ireo sekolim-panjakana nataon’ny fikambanana, ny faran’ny herinandro teo.

 » Hafaliana no nandraisana ny fikambanana teto an-toerana, nanolotra ny fampisakafoanana ety an-tsekoly (cantine scolaire) teto amin’ny EPP Betsizaraina. Hankasitrahana ny fikambanana satria hery manohana ny mpianatra ny tahaka izao » hoy ny avy amin’ireo mpanabe.

 » Tsy tokony ho saraharana amin’ny sekoly ny fampisakafoanana. Tena zava-dehibe ary manova ny vokatra amin’ny fahaizana rehefa voky ny mpianatra mianatra. Olana ho an’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny amin’izao fotoana ny fitadiavana sy manome sakafo ara-dalàna ny ankizy » hoy i Herilala, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.

Ho an’ny tao amin’ny EPP Betsizaraina ity moa, ankizy miisa 147 no nahazo ny fampisakafoanana. Mbola ahazo ny anjarany avokoa moa ireo EPP hafa ao anatin’ny kaomininina.

Manitra R.

Laisser un commentaire