Talata Volonondry : Misy ny fanamboarana ny EPP Falimanjaka
Misy ny fanamboarana ny EPP Falimanjaka, ao amin’ny kaominina Talata Volonondry amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ny fananganana tanteraka ny trano fianarana ireo tomponandraikitra ao an-toerana ankehitriny.
“Hisaorana hatrany ireo mpiara-miombon’antoka, mifanampy sy mifanohana amin’ny kaominina amin’ny fanatanterahana ny asa. Izao moa dia natao ho tombotsoan’ireo zaza sy mpianatra eto Falimanjaka sy ny manodidina” hoy ny tomponandraikitra mpitantana ny kaominina.
“Fanoitra lehibe ho an’ny fampandrosoana ny fampianarana ny fanaganana sekoly tahaka izao. Hirariana mba hitohy hatrany ny ezaka ataon’ireo tomponandraikitra ka mba hisy vokany, hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ety ifotony. Miankina amin’izany ny fampandrosoana ny firenena” hoy i Andry, mpampianatra amin’ny ambaratonga fototra.
Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fananganana foto-drafitr’asa ho fanatsarana ny lafin’ny fampianarana ao an-toerana. Anisan’ny fanamby napetraky ny mpitantana ny tanàna moa ny hamita izany fanamboarana izany ary hitokana izany tsy ho ela.
