Mayotte : Mandray anjara amin’ny tsenabe iraisam-pirenena momba ny fambolena ihany koa ny nosy
Hita ao Paris ao anatin’ny andiany faha-59 ny tsenabe iraisam-pirenena momba ny fambolena ihany koa ny trano heva misy ny vokatra avy ao Mayotte. Lohahevitra bajinin’izy ireo izay napetraky ny « Chambre d’agriculture, pêche et aquaculture » ao Mayotte ny fanomezan-danja ny « tsiro nentim-paharazana maoré ».
Raha tsiahivina dia nanomboka ny 25 febroary teo io hetsika io ary tsy hifarana raha tsy ny 5 martsa izao. Fotoana hanehoan’i Mayotte ny vokany, ny fahaiza-manao ary hisarihana ny mpizaha tany izany. Raha tsiahivina dia nahatratra 940 ny mpandray anjara tamin’io tsenabe io ny taona 2022 teo ary manodidina ny 500 000 isa ny olona voaisa niditra tao amin’izany toerana fampirantiana izany.
