Dépêches

Fotodrafitr’asa: Mialohan’ny volana jolay ny fe-potoana hamitana ny RN44 manontolo

Dépêche 28 février, 13h, Efa miroso amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha44 tapany faharoa ireo orinasa amin’izao fotoana izao ary vinavinaina ho vita alohan’ny volana jolay izany lalana izany. Mifanindran-dalana amin’izany ihany koa anefa dia dia mbola mijanona ho laharam-pahamehana hatrany ny mahakasika ny fanamboarana ireo ampahan-dalana amin’ny RN2, RN4, RN6, RNT 12A, ary ny RN3A mba hialana amin’ny mety ho fahatapahan’ny lalana. Amin’izao fotoana izao dia asa maika avokoa ny fotodrafitr’asa rehetra momba ny lalana ka izany no mahatonga azy ho laharam-pahemahana satria io no miantoka ny fivoahan’ny vokatra isan-karazany.

Laisser un commentaire