Kolontsaina : Hisitraka fampiofanana avy amin’ny Fondation H ireo mpanakanto Malagasy
Toy ny andiany voalohany izay efa nadraisan’ny Fondation H ireo mpanakanto Malagasy dia hisitraka fampiofanana toy izany ihany koa ireo mpanakanto Malagasy hafa, indrindra moa fa ireo mpanao asa tanana. Lehibe ny tanjona amin’izany ka hisitraka ny soa avy amin’izany ireo mpanakanto ireo.
« Ny tena tanjona amin’ity fanolorana fampiofanana ity dia ny mba ahafahanay ho lasa hankatoavin’ny Fanjakana Malagasy amin’ny sehatray ny fampiofanana. Manana andraikitra mantsy ny zava-kanto amin’ny fampivoarana ny fomba fijerin’ny olona iray ka afajka hampandroso ny manodidina azy izy », hoy ny avy ao amin’ny Fondation H.
Tsara ilay fandraisana andraikitra. Zava-kanto toy ny inona izany ilay hotolorana fampiofanana satria karazany maro ny zava-kanto fa inona amin’ireo no tena hitondra fanovana. Asa Tanana ve? Fihirana ve? Filalaovana tantara an-tsehatra ve? Tokony mahay misafidy araka izany raha te hampandroso firenena iray”, hoy i Dina, mpiantsa tononkalo.
Manomana dingana vaovao amin’ny tantarany amin’ity taona ity ny Fondation H amin’ny alàlan’ny « fiaraha-miasa sy fifanampiana amin’ny andrim-panjakana hafa any amin’ny kaontinanta afrikanina ». Manana toeram-piasana vaovao vao nisokatra izy ireo ankoatra io fampiofanana mpanakanto io.
Miora Raharisolo
