Fampianarana teknika: Harenina ireo teoram-pianarana simban’ny rivo-doza
Hasiam-panamboarana sy harenina ireo toeram-piofanana ey toeram-pianarana teknika izay simban’ny rivo-doza. Vola mitentina 547 tapitrisa ariary no namatsian’ny OIT ny ministera misahana izany hahafahana manatanteraka io asa io. Hahazo ny anjarany amin’izany avokoa ireo faritra izay tena nitondra takaitra betsaka tamin’ny fandalovan’ny Batsiray ny taona 2022 sy I Freddy ny janoary 2023 teo.
“Miisa 7 ireo foto-drafitr’asa tena simba tanteraka noho ireny rivo-doza ireny. Araka izany dia miisa roa aloha hatreto ireo efa voaarina. Ao anatin’izany ny toeram-panofanana ny ankizy vavy sy ny vehivavy ao Mananjary, eo ihany koa ny fananganana ilay trano vaovao ao Fianarantsoa. Nisy ny fifanomezan-tanana niaraka tamin’ireo mpisitraka isan-tokony nandritra ny fanatanterahana ny asa”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa.
Marihina fa miisa 1 750 ireo mpianatra ny lisea no voatery nijanona nianatra noho ireo fahasimbana ireo. Izany indrindra no nanaitra ny OIT sy ny METFP hiara-hiasa amin’izany fanarenana izany. Tsy ambakan’izany ihany koa ny fananganana ny ivontoeram-panofanana hafa any amin’ny faritra izay tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa. “Efa maro ireo faritra no hisitraka toeram-panofanana ara-teknika sy arak’asa fa ny fanombohana ny asa no tsy maintsy misy ny fandaminana. Azon’ny faritra hatao ihany koa anefa ny mampiasa ity paik’ady ity, izany hoe mampandray anjara ny mponina hahafahana mamita ireny asa ireny”, hoy hatrany ny fanazavana.
Ny fanarenana rehetra izay natao dia tokony hahafahana miatrika indray ireo rivo-doza isan-karazany. Tsy fantatra ny havoaka ny rahampitso ka izany indrindra no tokony hiomanana hatrany. Ireo vao ho hatsangana ihany koa dia tokony hanaraka izany fenitra ilaina amin’ny ady amin’ny rivo-doza izany.
Miora Raharisolo
