Etats-Unis : Notrobaran’ilay lehilahy ny antsy ny vadiny rehefa tratrany nampirafy azy
Lehilahy ray no namono ny vadiny rehefa fantany fa nampirafy azy izy. Ny volana aprily teo tao Hartford, Connecticut no niseho ity tranga ity. Mpivady vita mariazy i Pedro Grajalez, 52 taona sy i Nilda Rivera, 57 taona. Andro vitsivitsy talohan’ny nisehoan’ny tranga no fantatr’i Pedro Grajalez fa nampirafy azy ny vadiny. Manoloana izany dia nanomana valifaty izy.
Ny androan’ny 16 aprily dia notrobaran’io lehilahy io ny antsy in-25 teo amin’ny lohany, tratrany, tarehiny ary tanany ny vadiny. Nalefany sary tamin’ilay rafiny izany talohan’ny nitononany tena tany amin’ny manam-pahefana. Rehefa nanontany an’i Pedro Grajalez ny polisy ny manam-pahefana hoe aiza ny razana dia tsy nisalasala akory izy nilaza fa tao anaty ny fiarany, manoloana ny toby ny polisy izany.
Efa eo am-pelantanan’ny manam-pahefana i Pedro Grajalez ary mitentitra 3 tapitrisa dollars ny sandan’ny fahazoany fahafahana vonjimaika.
