ActualitésTatitra

Seychelles : Mikarakara fifananana ho an’ireo mpisera-dia ny Ethiopian Airlines

Nanamboka omaly 13 febroary dia nanome tolotra ho an’ireo mpisera-dia (agence de voyage) ny Ethiopian Airlines. Mikarakara fifananana izy ireo ahazoana tapakilam-piaramanidina mandroso sy miverina miala ao Paris na Marseille makao Seychelles. Tsotra ny fandraisan’anjara, mila mahalafo tapakila Ethiopian Airlines 50 ireo mpisera-dia mampitohy an’i Paris-Seychelles na Marseille-Seychelles.

Ny fepetra dia 13 febroary hatramin’ny 13 martsa ny famarotana ny tapakila, mety avokoa ny « classe » rehetra ary raha mahalafo tapakila 50 ny mpisera-dia omen’ny Ethiopian Airlines tapakila iray fanampiny maimaimpoana. Mpandresy 6 kosa no hisitraka ny fanomezan’io orinasam-piaramanidina io raha mahafeno ny fepetra.

Laisser un commentaire