ActualitésTatitra

Mayotte : Ankizy 900 isa no hahazo fampianarana milomano maimaimpoana hatramin’ny volana aogositra izao

Nanomboka ny volana novambra 2022 teo no nisy io tetik’asa fampianarana milomano maimaimpoana tao Mayotte io. Ny sekoly monisipaly fianarana milomano ao Petite-Terre no namolavola izany mba ahafahan’ireo ankizy mianatra maimaimpoana sy mahazo ny « certificat » lomanony voalohany.

Isaky ny alarobia tolakandro ao amin’ny torapasik’i Faré no hanatontosaina ny fampianarana ary ankizy 7 hatramin’ny 11 taona eo no voakasikin’ny tolotra hoy ny mpamolavola ny tetik’asa sady mpampianatra milomano, Alain Baron. Anisany nanasika azy hamolavola io tetikasa io kosa hoy izy ny fahitany fa 13% monja ny taham-pahafahana ny « savoir-nager » tao Mayotte. Marihana fa « certificat » miala alain’ny ankizy eo T6 eo amin’ny taranja lomano izy io izay napetraky ny fanabeazam-pirenena tamin’ny taona 2015.

Tanjon’i Alain Baron ny hampianatra ankizy 900 isa milomano hatramin’ny volana aogositra izao.

Laisser un commentaire