SocialTsidika

Basy vita gasy : Tsara ny miketrika, saingy lasa any amin’ny zavatra ratsy

Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po iray no nahafahana nametraka velam-pandrika ny lehilahy iray. Fantatra nadritra ny resaka nifanavaon’ny mpiara-monina sy ny zandary tany an-toerana fa mitazona basy tsy ara-dalàna ny lehilahy, hany ka miteraka fanahiana ho an’ ireo mponina manodidina manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato.

Niroso tamin’ny asa avy hatrany ny mpitandro filaminana taorian’izay ka nisava ny tranon’ilay lehilahy, fisavana izay marihina fa nahazoana alalana avy any amin’ny fitsarana. Tratra tamin’izany ny basy vita gasy iray sy bala « calibre 12 ». Tsara hatrany ny manamarika fa voararan’ny lalàna misy eto Madagasikara ny fitazomana fitaovam-piadiana mahery vaika tsy mahazahoana alalana avy any amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo tompon’andraikitra eo amin’ny fitsarana.

« Ho foana tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana raha mitohy hatrany izao tagnamaro izao » hoy i Lala, mponina ao Antsirabe. « Mbola mitohy ny fanadihadiana atao aminy, ary rehefa vita izay dia atolotra ny fitsarana ny tohin’ny raharaha. Mino izahay fa tsy maintsy mbola manana naman-dratsy ny lehilahy, ka izay no mbola hanamafisana hatrany ny ezaka sy ny fanadihadiana » hoy ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana. « Fandikan-dalàna, ary mety hampigadra sy andoavana lamandy amin’ny fanjakana ny fitazomana basy tsy nahazahoana alalana. Ireo mpiray tsikombakomba rehetra amin’ny fanaparitahana ny fitaovam-piadiana no enjehin’ny lalàna amin’izany » hoy ny lehiben’ny komandin’ny zandarimaria Antsirabe.

Anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato ny fiparitahan’ireo fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna sy ireo zava-mahadomelina tra-tehaka etsy sy eroa. Eo ihany koa ny tahan’ireo tanora tsy an’asa, izay miakatra hatrany, hany ka mahatonga azy ireo hampijaly sy hampahory ny mpiray tanindrazana aminy. Mifanohitra tanteraka amin’ny vinan’ny fampandrosoana anefa ny fanjakan’izany tsy fandriam-pahalemana izay eo amin’ny firenena iray. Tsy misy fampandrosoana vanona ho an’ny firenena mihitsy raha toa ka miaina ao anaty tebiteby lava ireo mponina. Inoana ve ny hahafoana tanteraka ny tsy fandriam-pahalemana raha mitohy hatrany ny tagnamaro ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire